- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversBetafo : Mpangalatra solika roa lahy saron’ny polisy

Betafo : Mpangalatra solika roa lahy saron’ny polisy

Noraisim-potsiny izy roa lahy mpangalatra solika tao Betafo ny faramparan’ny taona lasa teo. Ela nitoratorahana hoy ny filaza raha izy roa lahy ireto. Fantatra mantsy fa efa fanaony ny mangalatra solika amin’ireny fiara lehibe miantsona eny amin’ny sisin-dalana ireny, na ihany koa amin’ireo fiara lehibe tra-pahavoazana ka tsy afa mihetsika. Ataon’ireto jiolahim-boto kely ireto jifa avokoa izay fiara sendra azy raha toa tsy misy mpiambina. Tsy fantatra mazava tsara ny fomba hangalany ny solika amin’ny fiara fa dia ritra avokoa ny solika amin’ireo fiara mipetrapetraka. Ny alin’ny 31 Desambra 2013 izy roa lahy ireto no voasambotra teo am-paovana ny asa ratsiny ka noraisim-potsiny.  Raha ny fantatra dia efa mahatratra efatra ny kamiao nanaovan’izy roa lahy  « mission ». Efa eo am-pelatànan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ankehitriny ary miandry ny fitsarana azy am-ponja izy roa lahy.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser