- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Mpianatra iray maty nananton-tena

Betafo : Mpianatra iray maty nananton-tena

Tovolahy kely iray vao 18 taona monja no maty namono tena  tao Betafo ny faran’ny herinandro teo.

Famonoan-tena, izay no vahaolana hitan’ity tovolahy kely ity vokatry ny olana ara-pianakaviana niainany. Nanaton-tena izy ny marainan’ny alahady lasa teo, tady avy tamina lay mostikera no nampiasainy  nafatony tamin’ny lavarangana ka teo izy no nisy nahita nihantona efa tsy misy aina intsony. Avy namonjy fialan-tsasatra tany Ampitatafika ity mpianatra ity raha ny fantatra. Ny alahady lasa teo izy no tokony hiverina tao Betafo fa hianatra ny alatsinainy. Ny zoma anefa dia efa  tonga tao Betafo izy. Fantatra fa  nisara-panambadiana ny ray sy ny reniny, ity farany izay miara-mipetra amin’ny vadiny faharoa ankehitriny. Tsy avelan’ilay raikeliny hipetraka ao aminy anefa ilay zana-badiny, voatery nitady toerana ho azy noho izany ilay reniny ary nampianatra azy an-tsokosoko. Tombanan’ny maro fa noho ny tsy fahazakany ny olana mianjady amin’ny fiankaviany noho izany no nahatonga azy hanapitra ny androny. Araka ny angombaovao hatrany dia nisy taratasy namelan-kafatra navelan’ity tovolahy kely maty ity  milaza fa mbola misy volan’ny dokotera tokony hoefaina, sy nanao veloma mandrakizay ny reniny, ary nanafatra fa any Ampitatafika no andevenana azy rehefa maty, any mantsy no misy fianakavian’ny reniny izay nipetrahany tamin’ny fialantsasatry ny mpianatra teo.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser