- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Mpivady novonoina tamin'ny fomba feno habibiana

Betafo : Mpivady novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Nitrangana vono olona mahatsiravina tao amin’ny kaominina Ambohimasina Betafo. Mpivady no maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ankerakely Ambohimasina no nitrangan’ity vono olona ity. Ny alahady 7 Martsa tokony ho tamin’ny 8 ora alina raha ny filazan’ny loharanom-baovao no nisy enin-dahy niditra ankeriny tao an-trano, nilaza ho  » quartier mobile » izy ireo. Avy hatrany anefa dia nanambana tamin’ny antsy sy famaky ireto olon-dratsy ireto ary tsy nisy nanampo ny mety ho fitrangan-javatra ny tao an-trano. Voalaza fa nisy tamin’ireo ankizy no tafaporitsaka. Izy mivady kosa nentin’ireo enin-dahy niala tsy lavitra ny trano. Novonoin’ireto tsy mataho-tody izy mivady. Toy ireny mamono akoho ireny hoy ny loharanom-baovao, nodidiana ny antsy ny tendan’izy mivady ary mbola nahitana lavaka roa teo amin’ny tampon-dohan’ilay rangahy. Ny marainan’ny alatsinainy tamin’ny 4 ora maraina no hitan’ny fokonolona ny razana. Tsy lavitra ny trano fonenan’izy mivady fa zara raha niala 50 metatra ny trano no nahitana ny nofo mangatsikan’izy roa nihoson-drà. Tsy mpandroba akory ireto enin-dahy ireto fa dia ny hamono azy mivady mihitsy no anton-diany satria tsy naka na nitaky na inona na inona izy ireo. Tsilian-tsofina no nahafantarana fa resaka ady tany no nahatonga izao famonoana olona izao. Efa eo an-tananan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary efa miroso amin’ny fizahana ireo nahavanin-doza izy ireo.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici