Habibiana tsy roa aman-tany. Olona roa, mpivady izay efa antitra, no novonoin’ny olon-dratsy tao amin’ny tranon’izy roa ihany. Raha ny fanazavan’ny zandary dia ny alakamisy lasa teo no heverina fa nanatontosàna ilay heloka bevava. Heloka bevava izay tsy heverina ho fandrobàna, ny antony dia satria tsy nisy na inona na inona very tao amin’ilay trano. Izany hoe ny ain’izy mivady no nofofoina dia vita hatreo ny asan’ireo mpamono olona. Rehefa nandeha ny fanadihadiana tsotsotra nataon’ny mpitandro ny filaminana dia fantatra fa olona tsy latsaky ny efatra no nanatontosa ny famonoana. Trano mihidy tsara ihany ilay toerana saingy niakaran’izy ireo tamin’ny tohatra ny ambony rihana izay misy azy miavdy ary dia novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao ireto olona izay tsy manana hery hiarovana tena no tsy misy fitaovam-piadiana. Teo amin’ny lohan’izy ireo tsirairay avy no nisy ratra ary azo eritreretina ho nitarika ny fahafatesan’izy ireo. Raha ny angom-baovaon’ny mpitandro ny filaminana hatrany dia toa efa nomanina sy voakajy ny fanatontosana ilay heloka bevava satria minitra vitsy monja no nanaovan’ireo olon-dratsy izany. Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha vonoan’olona ity. Ny azo eritreretina voalohany dia mety ho lonilony no nitarika ny heloka bevava. Indraindray koa anefa mety misy fananan’ny olona izay misy miketrika ary dia ny famonoana no hitan’ny kely saina ho làlana haingana indrindra. Mila jeren’ny mpanao fanadihadiana avokoa izany lafiny rehetra izany ankoatra ny fitadiavana ireo mpamono olona sy ny olona izay mety ho ao ambadik’izy ireo.
D.R