- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana ny teny Andranomafana

Betafo : Notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana ny teny Andranomafana

Loza iray. Loza roa. Loza telo fa dia miakatra an-tanandehibe ny dahalo na ny marimarina ny jiolahy mitana fitaovam-piadiana. Tany Andranomafana, telo kilaometatra monja, miala an’i Betafo amin’iny làlana mihazo an’i Morondava iny no niseho ny tantara, ny alinin’ny alatsinainy teo, raha vao nipaika ny tamin’ny sivy ora alina.

Lasa tamin’izany ny entana rehetra tao amin’ity fivarotana kely ary tamin’ny fomba mampihoron-koditra satria dia nasian’ireo olon-dratsy ny tapim-baravarana ny trano manodidina rehefa avy nanapoaka basy izy ireo.

Tsy ilay vola lasany izay inoana marina fa tsy betsaka na niaraka tamin’ny entana aza, fa ny fomba feno habibiana nanantotosana azy no tiana hasian-teny, satria mampanotany tena ihany hoe aiza ireo mpitindro ny filaminana ? Satria tao anatin’ny herinandro teo fotsiny dia efa in-telo ny fanafihana niseho nanodidina an’Andranomafana.

Vokany noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana eny an-toerana, dia mikatona ireo « chambres d’hôtes » satria efa tsy misy fizahantany intsony. Sarotra ho an’ireo « guides » no hampijanona toy ny fanaony ireo mpizahatany hihazo an’i Morondava ao Andranomafana.

Ny fanontaniana tsy maintsy mipetraka dia ny hoe : avy aiza marina ireto olona  20 raha kely ary indrindra indrindra manana fitaovam-piadiana ?  Ary izay no mahasarotra ny andrimasom-pokonolona, satria tanam-polo ve hiady amim-basy. Hanao ahoana tokoa moa raha voatifitra ireo fokonolona miambina ny tanana ? Iza no hotondroina ho tompon’antoka ?

Ny mahatalanjona, dia ny fahafantarana fa na ny Commissariat ao Betafo na ny Zandary any an-toerana dia samy nohamafisina sy nampitomboina isa ireo olona ao aminy, saingy tsy arakaraka izany ny zavatra hiainan’ny mponina any Betafo, fa toa vao mainka mahazo laka ireo dahalo…sadasada.

Clément RABARY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici