- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Olona 13 nofaohin’ny fiara

Betafo : Olona 13 nofaohin’ny fiara

Mpivarotra an-tsisin-dàlana no maro tamin’izy ireo. Efatra no tena voa mafy ka voatery nentina any amin’ny hopitalin’Antsirabe mba ho fanavotana ny ain’izy ireo. Ireo sivy ambiny kosa dia tsaboina ao amin’ny CSBII ao Betafo ihany. Ny harivan’ny alakamisy, tamin’ny dimy ora latsaka fahefany, no nitranga ity lozam-pifamoivoizana ity, tao an-tàmpon-tananan’i Betafo. Tsy fantatra mazava izay tena nanjo ilay rangahy nitondra ny fiara R21, izay nisy ny vadiny rahateo. Nofaohiny avokoa ireo olona teo amin’ny sisin-dàlana. Tsy fahatomombanana ara-teknika ve sa kosa nisy aretina nanjo ny mpitondra? Sa antony hafa mihitsy? Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana ao an-toerana ary heverina fa amin’ny alàlan’izany no hivoahan’izay antony nahatonga ny lozam-pifamoivoizana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser