Nolazaina fa mpangalatra taova, tonga ny olona ary nidaroka ka nahafaty ny lehilahy iray. Raha ny zava-nisy anefa dia nisy olona izay tezitra taminy ary namboly io tsaho io. Nandeha ny fanadihadiana ka olona 18 no voasambotra tao Betafo sy ny manodidina. Isan’ny voasambotra koa ilay nanely tsaho izay nitarika vonoan’olona. Toa izao ny zava-nitranga raha hiverenana kely. Nisy lehilahy izay nitazona toerana fanamboarana finday. Nisy iray hafa izay niditra tao amin’io toerana io ka nindràna herinaratra mba hameno ny vatoaratry ny finday. Tao anatin’izay dia nisy mpanjifa nandalo ary nanamboatra finday tao. Very anefa ilay finday ary nanomboka teo ny olana. Rehefa noterena ny tompon’ny toerana dia niahiahy ilay nindrana herinaratra. Naleha tany an-tranony io farany ary rehefa noterena dia namoaka tokoa ny finday. Raha noheverina fa nilamina teo ny raharaha, tsy izay no nitranga fa mbola nisy lonilony nitranga. Tezitra ilay mpangalatra ka rehefa an-dàlana hody ilay mpanao finday nitoroka azy dia naeliny ny tsaho ary nahatonga ny olona nidaroka ka nahafaty. Toe-javatra izay heverina fa tsy dia misy lanjany loatra toa izany dia nitarika vonoan’olona ary nanakorontana ny fiaraha-monina. Ny fielin’ny tsaho rahateo dia tena manimba ary mety mahafaty olona mihitsy. Toa izay nitranga teto. Soa fa voasambotra ny rangory fototry ny afo.
D.R