Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tao amin’ny kaominina Alarobia Bemaha distrikan’i Betafo. Omby miisa 60 be izao no fantatra fa noraofin’ny dahalo nandritra ny fanafihana.Tao amin’ny Tanan’Iboko no nisehoan’ny fanafihana ny Alahady lasa teo. Mbola antoandro be nanahary no tonga ny dahalo manodidina ny 20 lahy teo ho eo nanafika ny tanana. Tsy niditra ny tanana ireo dahalo tamin’ity indray mitoraka ity fa teny an-tsaha ihany no nandroaka ny omby. Nambaran’ny loharanom-baovao matsy fa omby niraoka ahitra teny an-tsaha ireo noraofin’ny dahalo ireo. Poa-basy no nentin’ireo mpanafika nampitahorany ny mpiandry omby teny an-tsaha. Natahotra ireto farany ka vaky nandositra, fomban’ireo dahalo koa tato ho ato ny maka takalon’aina mba tsy hanarahan’ny fokonolona azy ireo ka nanahy ireto mpiandry omby ireto sao iharan’izany. Tsy nisy afaka namely na nanao antso lava ny fokonolona manoloana ireo dahalo am-polony mahery mirongo basy fa nitazam-potsiny. Fantatra fa nisy ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona hatramin’ny ora anoratana izao, saingy tsy mbola fantatra ny vokany. Mandry tsy lavo loha ny mponina ao amin’ity kaominina Alarobia Bemaha ity, satria matetika no anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana . Vao haingana mantsy no nisiana fanafihan-jiolahy tao Fisarana Bemaha izay nahafatesana mpiambina fivarotana iray.
Andry N.