Raha somary nangingina ny resaka harom-paosy tao amin’ny distrika ambonivohitra Betafo dia niverina izany ankehitriny. Isaky ny Alatsinainy, andro tsena no tena mampirongatra azy ity. Fantatra fa tsy mponina avy ao Betafo ireto mandoto ny tanana ireto fa mpangarom-paosy avy eto Antsirabe, tonga maraina mandeha taxi-brousse, toy ireny olona handeha hiasa ireny ary miverina eto Antsirabe ny hariva . Tsy mandeha irery izy ireny fa farafaharatsiny mandeha tsiroaroa araky ny fanazavana avy tamin’ny kaomisaria ao Betafo. Misy hatrany ny “operation” ataon’ny polisy isaky ny andro tsena amin’ny fanapariahana ireo polisy manao fanamiana sivily mba tsy hamantaran’ny mpanao ratsy azy. Nahatratra dimy no voasambotra nangarom-paosy ambodiomby tamin’ny Alatsinainy 19 Jolay lasa teo. Tsy kely tsy lehibe dia manao ity asa ratsy ity avokoa satria dia zaza amam-behivavy izy dimy voasambotra ireo ary samy avy eto Antsirabe avokoa, iray zokiny indrindra 47 taona no voalaza fa avy ao any amin’ny kaominina Ankazomiriotra. Fantatra fa 14 taona no kely indrindra nefa dia efa matianina mihitsy amin’ity resaka haro-paosy ity. Tsy mifidy hasiana izy ireo fa na olona sahirankirana aza dia petahiny avokoa. Vehivavy kosa ny roa ary mitondra vohoka ny iray, araky ny fanazavana avy tamin’ny polisy hatrany dia manan-janaka iray hafa izy eto Antsirabe ary ity resaka harom-paosy ity no asa fivelomany.
Andry N.