- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Rangahy nokapaina famaky dia nodorana

Betafo : Rangahy nokapaina famaky dia nodorana

Niredareda ny afo tao amin’ny fokontany Faravohitra, kaominina Ambohimandroso, Distrika Betafo, ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Araka ny fantatra dia rangahy iray, mananiky ny 60 taona, no kila forehitra tao. Raha ny vaovao azo hatrany dia niharan’ny fitsaram-bahoaka ity lahiantitra ity, ary nodorana tao an-tranony rehefa avy nokapaina tamin’ny famaky. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa voalazan’ireo mponina fa isan’ny olona nandray anjara tamina fanakanana olona, niseho tany Ampatrimaha, ity rangahy. Raha ny voalazan’io olona voasakana io, araka ny tatitry ny mpitandro filaminana dia tsy nisaron-tava ireo telo lahy nanakana azy. Tadidiny araka izany ny endrik’ireo jiolahy ka ity rangahy ity no notondroiny ho isan’ireo olon-dratsy nanakana azy. Tezitra tamin’izany ireo mponina ka nampihatra izao habibiana tsy roa aman-tany izao. Efa mandeha amin’izao fotoana ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.

Mike L.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser