- Publicité SW45 -
dimanche, octobre 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetafo : Roa lahy nikasa handroba, fiara sprinter iray potika

Betafo : Roa lahy nikasa handroba, fiara sprinter iray potika

Ny hala-botry sy ny totakely no tena manjaka ao amin’ny kaominin’Alakamisy Anativato raha ny filazan’ny mponina iray tafaresaka taminay. Azo lazaina ho milamina ny kaominina  amin’ny ankapobeny raha ny tsy fandriam-pahalemana no resahina. Tsy mikely soroka rahateo ny mponina any an-toerana amin’ny fiambenana ataon’ny vatan-dehilahy amin’ny alina. Roa lahy no tsikaritry ny fokonolona ny alatsinainy lasa teo nikasa handroba fivarotana tao an-toerana. Fantatra fa mponina avy an-tanàna ihany ireo roa lahy, ireo araka ny fanazavana hatrany.  Nisotrosotra tao amin’ilay toeram-pivarotana izy roa lahy ny antoandron’io fanafihana io. Tsy nahomby anefa ny paik’adin’izy roa lahy ireto ny hariva raha nikasa hamaky ilay
fivarotana fa nisy fiara sprinter iray nijanona teo anilan’ilay trano. Rehefa tsy nahita mangirana tamin’ny asa ratsiny ry zalahy dia ilay fiara no norobainy  fa noheviny ho fiara mpitatitra taksy brosy . Nopotehin’izy roa lahy ilay fiara ka vaky hatramin’ny fitaratra mihitsy. Mailo ny tompon-trano ka niantso vonjy. Efa dila lavitra anefa izy roa lahy ka tsy tratra intsony saingy fantatry ny olona ihany fa mponina avy eo amin’ny fokontany. Efa misokatra ny fanadihadiana ankehitriny.
Andry N.

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser