- Publicité -
mardi, juin 3, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Rongony 3.000 fototra tsy maintsy nongotana

Betafo : Rongony 3.000 fototra tsy maintsy nongotana

Fototry ny tsy fandriam-pahalemana ny fidorohana zavamahadomelina ka tsy maintsy fongorina hatramin’ny fakany. Natoron’ny olona ny toerana misy ireo olona mpamboly rongony. Nidina ifotony avy hatrany ny zandray ka sarona tao anaty tany fambolena katsaka ny zanaka rongony 3.000 fototra, nambolen’ny roa lahy, Honoré 30 taona sy Tsitohery 20 taona tao anaty velaran-tany 3 hekitara, tao Andriamamovoka, fokontany Antanifotsy, kaominina Ambatonikolahy, distrikan’i Betafo. Ny komandin’ny tobim-paritra GPHC Ranaivosoa Évrard no nitondra ny zandary niaraka tamin’ny andrimasom-pokonolona sy ny mpitondra teny an-toerana. Hatao fanadihadiana ary hatolotra ny fitsarana izy roa lahy ary ireo zava-boarara kosa dia hodorana araka ny lalàna manankery. Ankoatra ity tany Betafo ity, nahazo vokatra manaraka izao ny zandarimariam-pirenena ao Andapa. Tamin’ny 26 oktobra dia nahasarona sahan-drongony mirefy 30 metatra toradroa tao amin’ny toerana atao hoe Anandraibe, fokontany Ambodihasina, distrikan’Andapa. Nahitana rongony marobe. Olona roa, mpivady, moa no tompon’ity sahan-drongony ity ary nandositra ralehilahy fa ny vadiny kosa dia tazonina ao Ambodiangezoka. Mitohy araka izany ny fikarohana ny vadiny. Tamin’ny alin’ny 26 hifoha 27 novambra dia nisy ihany koa vela-pandrika nataon’ny zandary avy ao amin’ny Kaompania Andapa tamin’ny toerana malaza fa fandalovan’ireo mpivarotra zavamahadomelina. Vokany : tra-tehaka tao amin’ny fokontany Betsakotsako Andapa tamin’ny 8 ora alina ny olona roa avy any Antanambao Ambalarondra, distrikan’i Bealanana, rehefa nitondra rongony roa gony milanja 40 kg. Tazonina ihany koa ao amin’ny Kaompania Andapa izy ireo mba hatao famotorana alohan’ny hitondrana azy any amin’ny tiribonaly.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici