Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ireo mpitandro filaminana amin’ny famongorana ifotony ireo fanetriben’ny firenena amin’ny fanaparitahana zavamahadomelina. Tany amin’iny faritra Vakinankaratra iny, rongony manodidina ny 1000 fototra teo ho eo no voatery nogontona tamin’ny saha an’hekitara. Ny sabotsy lasa teo dia nisy ny vaovao azon’ny teo anivon’ny zandary mahakasika ny fisian’ny sahan-drongony miafina tao Tsarazafy, fokontany Ambohimalaza, kaominina Mahaiza, distrikan’i Betafo. Tsy niandry ela fa nidina avy hatrany tany an-toerana ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitry ny fokontany ary solontenam-pokonolona. Nahazendana tokoa fa raha tazanina lavitra ity sahan-drongony ity dia toa voly anana tsy misy n’inona n’inona. Rehefa tena dinihana anefa, maniry eny an-tsefatsefany eny ny rongony maitso mavana. Rehefa natambatra dia mivelatra amin’ny saha mirefy ao amin’ny iray hektara eo izany, ary nahatratra teo amin’ny 1118 fototra. Teo no ho no eo ihany dia nogontana hatramin’ny fotony avokoa ireto zavamahadomelina ireto. Tamin’ny fikarohana sy ny fanadihadiana no nahafanatarana fa roa lahy mpianaka no tompon’izany saha izany. Izy ireto izay noraisim-potsiny tany an-tranony moa taorian’ny fahitàna ireo rongony maniry. Fantatra ihany koa fa mody miafina ambadiky ny hoe tantsaha izy mianaka ireto kanefa efa tena mpibizina rongony ikoizana any amin’iny faritra iny. Izy ireo ihany no voalaza fa mpamatsy rongony ireo mpanao ratsy any amin’iny faritra iny. Nentina natao famotorana tany amin’ny biraon’ny zandary avy hatrany moa izy ireo ary atolotra ny Fampanoavana tsy hoe ela rehefa vita ny famotorana atao azy. Fa amin’izay resaka fanaparitahana rongony izay ihany dia nambaran’ny loharanom-baovao fa efa nodorana sy nopotehina ihany koa ireo rongony mitotaly eo amin’ny 620 kilao saron’ny zandary teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny nandritra ity volana oktobra ity. Fandoroana izay natao teo anatrehan’ireo manam-pahefana teo an-toerana.
m.L