Taolam-paty roa gony indray no nisy nahita tao Betafo, tao amin’ny kianja fanaovam-baolina no nisy nametraka ireo taolam-paty ireo. Tanora nikasa hilalao baolina teo amin’io kianja io no nahatsikaritra ireto taoalam-paty ireto ny talata lasa teo ka nampandre haingana ny manodidina sy ny mpitandro filaminana. Taoarian’ny fizahana dia fantatra fa gony plastika no nasiana ireo taolana ireo ka taolan-dava avokoa no tao anatiny izay miisa 153. Nizara roa ny gony nasiana azy ka ireo taolana lavalava natokana tamina gony iray hafa, toy izay ihany koa ny taolana somary fohifohy natokana tamina gony plastika iray. Hatreto dia tsy mbola naharay taratasy fitarainana vaky fasana ny mpitandro filaminana na ny tany amin’ny modidina. Tsy fantatra noho izany izay mety niavian’ireo taolana ireo, hoy ny pôlisy. Raha tsy misy ny filazana na mety hamantarana izay ho tompon’ireo taolana ireo dia ny kaominina no handray an-tanana ka handevina ireo taolana ireo.
Tato ho ato dia nisesy ny fahitana ireny taolan’olombelona ireny tao Betafo, raha ny fantatra mantsy dia vao tamin’ny herinandro lasa teo no nahitana taolana hafa tao Betafo ihany.
Andry N.