Nisehoana fanakanan-dalana niharo fanafihana indray tamin’ny lalam-pirenena faha-35, mampitohy an’Antsirabe sy Miandrivazo iny. Ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo, taxi-brousse iray no notafihan’ny jiolahy fito nirongo basy poleta, teo amin’ny PK 16, eo amin’ny toerana antsoina hoe Andranomidina, kaominina Betafo. Vokany, mpandeha telo no naratra mafy, vola manodidina ny roa tapitrisa ariary teo ho eo kosa no lasan’ireo olon-dratsy, ambonin’ireo entana sarobidy, izay zakan’izy ireo. Raha ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary dia avy any Morondava, handeha hizotra ho any Antsirabe ity taxi-brousse ity. Efa notenenin’ireo mpitandro filaminana izay hanaraka kamiô ity farany mba hiandry ireo tandahatra fiara vao miainga. Mbola nisisika nandeha ihany anefa ny mpamily, raha ny vaovao hatrany. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina tany ho any no tojo an’io fanankanan-dalana io ity fiara ity. Avy hatrany dia nirarakompana ny tora-baton’ireo olon-dratsy, raha vao tafajanona monja ny fiara. Antony izay namparatra ireo mpandeha. Norahonan’ireo jiolahy tamin’ny basy ireo mpandeha sy ny mpamily ka tsy afa-nikofoka. Ilay toerana ihany koa somary an-kodahoda ka tsy misy hiantsoana vonjy. Ambonin’izy ireo naratra tamin’ireo mpandeha dia nisy ihany tafatsoaka sy niezaka ny nandositra sy niery tany rehetra tany. Mbola misy tamin’ireo mpandeha nandositra ireo aza moa no tsy hita izay misy azy, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Vao vita kosa ny asan’iretsy jiolahy, dia rifatra nitsoaka, nafenin’ny alina izy ireo. Mandeha amin’izao fotoana izao ny fikarohana ataon’ireo zandary avy amin’ny borigadin’i Betafo. Na ireo mpandeha tsy hita izany, na ireo olon-dratsy nanafika.
m.L