- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversBetafo : Tovolahy namono nahafaty ny rainy

Betafo : Tovolahy namono nahafaty ny rainy

Tovolahy iray, izay tsy iza fa ny zanaka  naterak’ilay rangahy ihany, no namono nahafaty azy tao amin’ny kaominina Alakamisy Anativato, distrikan’i Betafo, ny alin’ny sabotsy  7 desambra lasa teo. Nifamaly tamina resa-bola izy mianaka ireto raha ny filazan’ny loharanom-baovao, voalaza fa nalain’lay zanany ny vola  10000 ariary tamina vola 50000 ariary tao an-trano, tsy nanaiky izany anefa ilay raim- pianakaviana ka teo no niatomboka ny fifamaliana. Izy mianaka rahateo efa samy nisotrosotro  ka vetivety dia niakatra ny alikaola ka nihamafy ny fifamaliana. Tsy nahatsindry fo  ilay zanany lahy  ka naharay zava maranitra, “barre à pince”, ary iny no nentiny nidarohana ity rainy. Naratra mafy vokatry ny vono nihatra taminy ilay rangahy ka nitarika azy  ho any amin’ny  fahafatesana mihitsy. Voalaza araka ny loharanom-baovao hatrany fa naratra mafy teo amin’ny tratrany sy ny tanany havanana ilay rangahy. Nahatratra 6 santimetatra ny halalin’ny ratra teo amin’ny lohany, ka nitarika ny fahafatesany. Rehefa hitan’ilay zanany fa tsy nahatohitra intsony ity rainy dia nalainy ny ambin’ilay vola 40000 ariary ary nentiny nadositra niaraka tamin’ny vadiny. Fantatra mantsy fa volana maromaro izay no niverina nipetraka  tao amin’ny ray aman-dreniny ity lehilahy nahavanon-doza ity rehefa nijanona fotoana maro tany Miandrivazo. Nanatri-maso ny fifamalian’izy mianaka ireto ilay ramatoa vadin’ny maty, niezaka nandamina izy saingy tsy nisy nihaino. Vokatry ny tahotra dia nitsoaka nandositra no hany hitany fa vahaolana, ka ilay zafikeliny sisa no tavela tao an-trano. Ity farany avy eo no niantso ny manodidina. Efa eo an-tananan’ny mpitandro filaminana ankehitriny ny raharaha ary misokatra ny fanadihadihana.

 Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser