Tena mihetraketraka mihitsy ny jiolahy sy ny mpandroba isan-karazany amin’izao fotoana izao. Fantatra mantsy araka ny loharanom-baovao voaray fa trano telo be izao no indray nodoran-dry zalahy tany Betafo tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsy vitan’izany fa nisy olona iray ihany koa notsatohany lefona. Mbola nandroba tao amina trano iray izy ireo ary lasany tamin’izany ny vola 1,8 hetsy ariary.
Tonga nanafika tao amin’ny tanàna ny jiolahy voalaza fa niisa telo. Lefona no nentin’izy ireo tamin’izany. Nivantana tao amina tokantrano iray izy ireo. Henon’ny tompon-trano anefa izany ka vaky nandositra ny olona. Rehefa tafiditrra ireto bandy ireto ka tsy nahatratra na iza na iza dia lasa nandeha tsy naka na inona na inona. Ohatra ny hoe ireo olona no notadiaviny. Nifindra tamin’ny toerana hafa ry zalahy ka avy hatrany, araka ny vaovao voaray hatrany, trano telo no indray nodorany. Raiki-tahotra ny olona teo anoloan’izany zavatra izany. Ireo mpandroba nandeha tany amin’ny trano iray hafa ary dia tao izy ireo no naka vola. Tsy vitan’izany fa nisy lehilahy iray notrobarany lefona. Maratra mafy tokoa ilay olona ary sy maintsy nentina tany amin’ny trano fitsaboana.
Anjakan’ny asan-jiolahy iny faritra andrefan’i Vakinankaratra iny ary mandry tsy lavo loha ny mponina. Saika isan’andro, misy hatrany ny asan-jiolahy miaro halatra omby, vaky trano ary vonoan’olona. Efa tena manao ny ezaka rehetra ny mpitandro filaminana fa toa anaovan’izy ireo fangalam-piery. Maro ireo efa vosambotra nefa dia mbola misy indray andiany hafa mipoitra mampihorohoro.
r.s.