- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Tsy ampy taona tratra nanendaka,11 voasambotra, 9 niditra am-ponja

Betafo : Tsy ampy taona tratra nanendaka,11 voasambotra, 9 niditra am-ponja

Bandy kely 11 lahy no natolotra ny fitsarana teto Antsirabe ny alarobia 23 jolay 2014 teo. Zaza avy ao Betafo avokoa izy ireo, voasambotry ny polisy tamin’ny halabotry sy fanendahana ary fangalaram-bola ao an-tsena. Mpianatra ao amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa avokoa izy 11 voasambotra ireto. Manelanelana ny 10 sy 12 ny salan-taony. Rehefa tsy mianatra ireto ankizy lahikely  ireto,  indrindra amin’izao  fialantsasatra izao dia mangalatra no anton-draharahany. Ataony mahita faisana avokoa izay sendra azy, indrindra fa ireo mpivarotra ao an-tsena. Manana paikady manokana mihitsy ry zalahy hanaovany asa ratsiny, amin’ny maha zaza azy anefa dia tsy heverin’ny olona fa manana traikefa henjana amin’ny fangalarana ireto katita kely ireto. Efa tena matihanina tokoa ireto jiolahikely ireto, raha ny fanazava avy tamin’ny polisim-pirenena avy ao Betafo. Toy ny tranga tamin’ny asabotsy teo, mpivarotra fahana finday no lasibatra, ny sasany amin’ireo jiolahikely mody mampiresaka , raha vao variana kely ny mpivarotra dia raofin’ny sasany ny  entana . Fanaon’ny any ambanivolo mantsy ny mikarama mi-charger finday  eny an-tsena rehetra eny.  Very tamin’io daty io ny finday sy fahana ary ny « chargeur » iray manontolo niaraka tamin’ny sôlefana nisy vola. Ny harivan’io ihany anefa dia voasambotry ny polisy ilay jiolahikely. Io no nanoro ny namany avy eo  ka notsimponina tsirairay ary nahatonga ny isa tafakatra ho 11. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa efa nisy tamin’ireo zaza tsy ampy taona ireo  no niditra am-ponja tamin’ny taona lasa tamina fanafihana, ka nahaverezana vola mahery ny  2 tapitrisa ariary. Vao haingana ihany koa no nisiana fandrebirebenena mpiasan’ny kaoperativa iray ka nahaverezana vola maro, ireto jiolahikely ireto ihany no tompomarika tamin’izany ka najifan-dry zalahy hatramin’ny « avance »tanaty « tiroir ».

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser