Natolotra ny Fampanoavana omaly alarobia 5 novambra i Lavarantsana sy ny ekipany, miandry ny fitsarana azy.
Tany Befato ity jiolahy rain-dahiny amin’ny harom-paosy sy sinto-mahery ity no tratra. Azo lazaina fa efa manana traikefa ihany ranamana amin’ny asa ratsiny, fa raha ny fanazavana dia efa mananika ny faha 50 taonany ralehilahy ankehitriny. Tsy dia miditra an-tsehatra loatra intsony izy amin’ity asa ratsy ity fa ireo ekipany no ampiasainy matetika. Voalaza fa mitety kaominina any ambanivohitra mihitsy ry zalahy ireto amin’ity fangaronam-paosin’olona ity. Tany Betafo izy sy ny ekipany tamin’ny alatsinainy lasa teo, tsenan’i Betafo mantsy io andro io. Efa maro ireo polisy mahafantatra azy tsara avy eto Antsirabe sy avy ao Betafo ka nisy ny fanaraha-maso azy nandritra io fotoana io. Noraisim-potsiny i Lavarantsana sy tariny tao Befato, nandritra ny tsena. Tsy vao sambany no nahatratrarana tontakely toy izao tao Betafo raha ny fanazana nomen’ny kaomisera Seraly Hercule, fa metetika no ahitam-bokany ny fisafoana ataon’ny polisy isaky ny tsena.
Andry N.