- Publicité SW45 -
vendredi, mars 14, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Zaza roa volana, novonoin’ny reniny

Betafo : Zaza roa volana, novonoin’ny reniny

Teo am-pandevenana ilay zaza  menavava no saron’ny polisy avy ao Betafo ilay renim-pianakaviana namono ny zanany vao roa volana monja.

Tamin’ny talata 4 martsa lasa teo no nitrangan’ity loza mampihoron-koditra tao antampon-tanànan’i Betafo ity. Olona tsara sitra-po no nilaza tamin’ny polisy fa misy ramatoa iray namono nahafaty ny zanany. Tsy niandry ela ny polisy vantany vao nahare ny vaovao ka tonga nanao ny fizahana . Teo am-pandevenena ilay zaza mihitsy no saron’ny polisy ilay ramatoa ka nosamborina avy hatrany ary notanana am-ponja. Nambaran’ny kaomiseran’ny borigady, Seraly Hercule, fa tsy namaly ny famotorana natao azy mihitsy ilay ramatoa tamin’ny fanadihadihana natao. Volaza, araka ny fanampim-baovao avy tamin’ny mpitsabo,  fa tsy dia salama saina loatra ity renim-pianakaviana ity. Tsy manam-bady izy, 22 taona, ary zanany faharoa ilay novonoiny, izay lahy kely. Tsy fantatra kosa ny rain’ireo zanany ireo ary mipetraka miaraka amin’ny reniny ity ramatoa namoa-doza ity. Efa natolotra ny fitsarana ny alakamisy teo ilay ramatoa ary nidoboka am-ponja.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser