- Publicité -
jeudi, juillet 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetaimboay Kandreho : Vehivavy, naolana roalahy sy novonoina

Betaimboay Kandreho : Vehivavy, naolana roalahy sy novonoina

Ramatoa efa lehibe, 70 taona any ho any no hita faty teo amina toerana fiandrasana omby iray, tany amin’iny distrikan’i Kandreho iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsy vitan’ny hoe novonoina ity ramatoa ity fa mbola naolana ihany koa talohan’ny nanesorana ny ainy.

Ny sabotsy lasa teo, teo amin’ny toerana antsoina hoe Holoka, izay telo kilaometratra miala ny fokontanin’i Betaimboay, ao amin’ny distrikan’i Kandreho, no nahita ny vatana mangatsiakan’ity ramatoa ity. Ireo fokonolona sendra nandalo teny an-toerana no nahita ny razana ary nampandre haingana ireo tompon’andraikitry ny filaminana tamin’izany toerana izany. Nidina avy hatrany teny amin’io faritra io moa ireo zandary      avy ao amin’ny borigady ao an-toerana, niaraka tamin’ny mpitsabo. Tamin’ny fizahana ny razana no nahitana fa nisy ratra teo amin’ny tarehiny. Dian-daroka tamin’ny zavatra mafy, toy ny hazo, izay inoana fa nahafaty azy. Tsy vitan’io anefa ny tsikaritr’ireo tompon’andraikitra tamin’ny fizahana fa hita ihany koa fa mbola niharan’ny filan-dratsin’ireo mpamono izy talohan’ny nahafatesany. Fantatra teo aza fa hoe roalahy izy ireo no indray nanararaotra ity ramatoa lehibe ity, saingy tsy fantatra endrika kosa. Noraisin’ireo zandary avy ao Betaimboy an-tanana avy hatrany moa ny raharaha ary efa manomboka ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici