Miova tsy toy ireny horonantsary ireny mihitsy ny zava-niseho. Handeha hanavotra ity namany voasambotry ny zandary iretsy namany hafa, ka sahy nifanandrina tamin’ireo mpitandro filaminana tsara ofana. Tao anatin’izany no nitsoaka ilay voasambotra ka voatifitra. Maty tsy tra-drano…
Zava-niseho omaly vao mangiran-dratsy tao Miaramasoandro, fokontany Betatao, distrikan’Anjozorobe. Lehilahy iray, izay efa fanta-daza loatra ary fantatry ny olona tsara ho mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo, na tena mpitarika ireo mpaka an-keriny mihitsy, no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zanatobim-paritra Betatao, ny alatsinainy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao ao dia niaiky tanteraka ity ranamana ity fa izy sy ny ekipany no niara-nanatanteraka ireo halatra omby maromaro sy ny fakàna an-keriny isan-karazany tany amin’iny faritra iny. Anisan’izany ny nitranga ny faran’ny volana janoary lasa teo, tao Ambongabe, kaominina Amparatanjona, distrikan’Anjozorobe. Efa navotsotr’ireo nitana azy moa ilay lasibatra tamin’io fotoana io, ary nilaza tamin’ireo mpanao fanadihadiana fa nahafantatra tsara ny iray tamin’ireo olon-dratsy nitondra azy. Nidina avy hatrany tany amin’ny toerana voatondro ho nisy ity mpaka an-keriny ireto mpitandro filaminana ary nisambotra azy tao Manakana, kaominina Amboasary Avaratra.
Tamin’ny famotorana ity farany dia nanoro ireo namany rehetra, mpiray tendro aminy amin’ireo asa ratsy isan-karazany ny lehilahy. Valo lahy izy ireo ary efa fantatra hatramin’ny toeram-ponenany avokoa. Handeha hisambotra ireto olona ireto ireo mpitandro filaminana, izay niaraka tamin’ilay voasambotra voalohany, no voalaza fa nisy nanakana teny an-dalana. Efa-dahy izy ireo ary nirongo basy Mas36 sy basim-borona. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia ny basy no niresaka. Raikitra ny fifamaliana tifitra, satria tsy maintsy niaro tena ireo zandary. Mazava ho azy, nararaotra izay toe-javatra izay ingahy voasambotra ka nanararaotra nitsoaka, niezaka nihazo an’iretsy namany. Kanjo, tsy lasa lavitra dia niantefa teny aminy ny balan’ny zandary. Nandavo ary namono azy tanteraka. Nahita izany moa iretsy namany ka avy hatrany dia nitsoaka. Taim-bala maromaro no hita teo an-toerana, raha ny fampitam-baovao azo, niaraka tamin’ny vatana mangatsiakan’ity voalaza ho olon-dratsy ity. Taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo dia efa natolotra ny fokonolona ny razana, hiandrasana izay mety ho havany maka izany. Tetsy andanin’izay kosa dia mbola mitohy hatrany ny fanenjehana sy ny hazalambo atao amin’ireo malaso any amin’iny faritra iny. Marihina tokoa fa efa maromaro ihany izay dahalo mpaka an-keriny sy mpangalatra omby izay no maty sy voasambotra ary nigadra tany amin’iny faritra iny tato anatin’ny volana vitsivitsy. Heverina fa ho anatra ho an’ireo miana-kendry sy mbola sahy manohy ny asa ratsiny ireny.
m.L