Ny alarobia lasa teo, tany Vatolatsaka, distrikan’i Betioky Atsimo, dia dimy mianaka ao amin’ny fianakaviana iray no maty notifirina tsy nananana antra tamin’ny fomba feno habibiana, noho ny resaka ady sipa nitarika lonilonim-pihavanana taty afara. Tovolahy iray 22 taona no notifirin’ny dadatoany, ka maty tsy tra-drano, telo volana lasa izay. Nofonosin’ilay dadataoany lay ny fatiny dia natsipiny avy eny ambony tendrombohitra avy eo. Andro vitsy taty aoriana, hitan’ny fokonolona ny razana efa nihasimba ka nalevin’ny fianakavian’ny maty. Fantatra moa ny namono ka natao ny kabary ara-drazana, fa tsy nitory tany amin’ny manam-pahefana ny havan’ny maty, satria samy mpihavana.
Tsy nahafaly ilay mpamono olona izany ka nandrahona ireto fianakavian’ny maty izy fa tsy maintsy hovonoiny ihany koa. Tafahoatra ny fandeferana ka nitory ny ray aman-drenin’ilay tovolahy maty notifirina. Nidina tany an-toerana ny mpitandro filaminana hisambotra ilay mpamono olona, nefa tsy hita izay najavonany, na dia voafaritra mazava izao aza ny toerana misy azy. Herinandro taty aoriana dia izao naripany izao ireto fianakaviana. Talohan’io dia nirehareha fatratra ity mpamono olona fa tsy misy tsy vitan’ny vola, fa mpanarivo manana omby maro ny tenany. Ny borigadin’ny zandary ao Tongobory no mandray an-tanàna ny raharaha ary mbola karohin’ny mpitandro filaminana ity lehilahy nanao vono moka ity.
Manitrisa