Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny RN10, tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambatry, any amin’ny Distrikan’i Betioky Atsimo, omaly tamin’ny roa ora sy sasany maraina. Taksiborosy iray avy any Ambovombe Androy hihazo an’i Toliara no nivadika, ka mpandeha telo no maty voatsindrin’ny entana, ary ampolony ireo naratra mafy. Araka ny tati-baovao voaray, dia tsy nahazaka tena intsony ity fiarabe kamiao mitatitra olona sy entana, izay navesatra izaitsizy ity rehefa niaka-piakarana, ka nihemotra ary nitera-doza. Raha ny fanamarinam-baovao avy any an-toerana, dia matetika isehoan’ny loza foana eo amin’io toerana io noho ny haratsian’ny làlana, kanefa ny mpamily dia alaim-panahy hatrany mandeha mafy tsy miraharaha akory ny ain’ ireo mpandeha entiny.
Eric Manitrisa