- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversBetioky Atsimo : Halatra taova, olona dimy voasambotra

Betioky Atsimo : Halatra taova, olona dimy voasambotra

Taorian’ny nahitana fatin’ ankizy vavy kely 4 taona, tsy misy lela sy maso ary atidoha. Taorian’ny fitsirihana tsy maintsy nataon’ny mpitsabo, fantatra izao fa olona dimy voarohirohy amin’ity raharaha ity no voasambotra ary hatolotra ny fitsarana rahampitso talata. Mahoraka indray tato ho ato any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny halatra taova. Ny marain’ny alarobia teo, tao amin’ny fokontany Lazarivo Atsinanana, distrikan’i Betioky Atsimo, no nahitana ny fatin’ilay zaza. Tsy hita nanomboka ny alin’ny talata lasa teo izy. Ramatoa iray nantsaka vao maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany, no nahita ny razana. 1 km mahery miala ny tanàna ary ity farany no nanaitra ny mponina avy eo. Niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana raha vao nahare ny vaovao. Olona dimy; izay voasaringotra amin’ity raharaha ity no voasambotra. Ny telo amin’ireto mpibizina taovan’olombelona ireto, dia olona eo an-tanàna ihany; izay efa nahazo vodiondrim-barotra telo hetsy ariary, raha atidoha mpaniraka ny roalahy. Voalaza fa nanakarama sy nampanantena hanome vola 8 tapitrisa ariary, raha mitondra taova (lela), hoy ny loharanom-baovao.

Tsy vao izao no nahenoana halatra taova tao amin’ity kaominina ity ary entin’ireo tsy mataho-tody amin’ny moto ao anaty vata fampangatsiana kely (glacière) ireo taova azony.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser