Lasibatry ny halatra, ny lakolosim-piangonan’ ny fiangonana Katolika sy Loterana any amin’ny Kaominina Bezaha Distrikan’i Betikoky Atsimo. Fiangonana katolika telo no efa nisy nangalatra ny lakolosiny, dia ny tany Befotake, Antevamena, ary tao Ranomafana Ambilanisoa, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny tomponandraikitra. Tamin’ny faran’ny herinandro teo dia nangalarin’olona tsy fantatra ihany koa ny lakolosim-piangonana tao amin’ny FLM Manasoa Fanjalira Bezaha ; izay tsy lavitra tobina mpitandro filaminana. Eo am-pikarohana ny nahavanon-doza ny zandary sy ireo fokonolona mpanao dinabe any an-toerana.
Lafo vidy. Raha ny loharanom-baovao marim-pototra, dia niala tamin’ny fangalarana ny taribin’ny Jirama ireo olon-dratsy, dia midina any ambanivohitra mangalatra lakolosim-piangonana; izay voalaza fa lafo vidy tokoa. Manao antso avo amin’ny rehetra ny mpitondra fivavahana sy ireo mpino kristiana ao Bezaha, mba hampilaza haingana ny manampahefana raha vao mahita olona mivarotra ireo lakolosy very ireo.
Eric Manitrisa