- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversBetioky Atsimo : Mpiandry omby roalahy maty voatifitra, omby 72 lasan’ny dahalo

Betioky Atsimo : Mpiandry omby roalahy maty voatifitra, omby 72 lasan’ny dahalo

Mbola mandravarava ny dahalo any Atsimo. Ny herinandro lasa teo iny, dia telo lahy niandry omby teny an-tsaha notafihan’ny malaso, ka maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra variraraka ny roa. Niezaka nitsoaka ilay tovolahy fahatelo nefa azon’ireo olon-dratsy sambo-belona ka nataon’izy ireo takalonaina. Omby 72 voaroba tamin’ity fanafihana tany Betioky Atsimo ity. Niroso tamin’ny fanarahan-dia ny fokonolona, ka andro maromaro taty aoriana tany amin’ny 50 kilometatra alohan’ny hidirana ny tanànan’i Betioky vao hita ilay tovolahy natao takalonaina, izay naratra mafy noho ny fampijaliana azy. Amin’izao dia manaraka fitsaboana ao Toliara ny tenany. Omby telo novonoin’ny dahalo, ny ambiny kosa latsaka, raha ny vaovao voaray avy any an-toerana.

Tato ho ato, raha ny loharanom-baovao avy any Betioky Atsimo, dia matetika handrenesana poa-basy tsy fanta-piaviana foana. Misy olona maty vokatr’izany. Mihorohoro ihany koa ny vahoaka amin’izany fisiana andian-jiolahy manao fanamiana miaramila mitondra basy lava. Ny valifaty amin’ny famonoana olona iniana atao moa tsy ferana intsony. Na an-tsaha na an-tanàn-dehibe, mbola miaina ao anaty tebiteby tanteraka ny vahoaka amin’ny firongatry ny asa ratsy isan-karazany, na dia manao izay tratry ny heriny aza ny mpitandro filaminana.
Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser