- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversBetioky Atsimo : Raim-pianakaviana voadaroka, potika tanteraka masony havia

Betioky Atsimo : Raim-pianakaviana voadaroka, potika tanteraka masony havia

Noho ny herisetra nataona mpikamban’ny kongresin’ny tetezamita teo aloha ny namany iray dia potika tanteraka ny maso havian-dRandrianiriko Vahinisoa Regis, raim-pianakaviana 39 taona, ary mitondra takaitra mandrakizay izy, araka ny « certificat médicale de consolidation » navoaky ny mpitsabo ao Toliara, ny 15 oktobra lasa teo. Raha ny fanazavan’ ny niharam-boina nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly antoandro, dia efa ela ity olona  ity no nila vaniny taminy noho ny fialonana. « Tezitra Gringo satria resy ny ekipa notohanan’ny tamin’ny lalao baolina kitra tao Bezaha Betioky Atsimo ka nisotasota tamiko izy. Novonoin’izy sy Nono teo imasom-bahoaka aho, ary tsy namelan’izy ireo raha tsy positry ny totohondry tanteraka ny masoko havia ka tsy mahita intsony hatramin’izao ». Noho ny ratra mafy nahazo an’i Régis dia tsy tafatsangana am-pandriana nandritra ny iray volana nahery izy.

Noho ny tahotra ny mety ho fitsaram-bahoaka, dia nifona tamin’ireo ray aman-drenibe tao Bezaha ity nidaroka. Taorian’ny kabary dia nanome vola 4 hetsy ariary nitsaboana an’i Régis izy, ary nampanantena handoa vola 25 tapitrisa ariary, nefa efa-taona aty aoriana mbola tsy azo ny vola, fa fampirohorohoana hatrany no setrin’izany. « Noho ny fitaka sy vono nihatra tamiko dia nametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana aho mitory azy roalahy namono sy nampitondra takaitra ahy mandrampahafatiko », hoy Vahinisoa Regis namarana ny fanazavany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici