- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversBetioky Atsimo : Taxi-brousse nivadika, tafakatra 20 ny maty 

Betioky Atsimo : Taxi-brousse nivadika, tafakatra 20 ny maty 

Vokatry ny fivadihan’ny taksiborosy iray nitondra entana mavesatra sy mpivaro-mandeha, tao Belamoty any amin’ny Kaominina ambanivohitry Bezaha, Distrikan’i Betioky Atsimo, afak’omaly alina, tokony ho tamin’ny valo ora, dia tafakatra 20 amin’izao ny isan’ireo olona namoy ny ainy izay nentin’ity fiarabe ity. Mpandeha folo amin’ireo 22 naratra mafy niharan-doza kosa, izay tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Toliara no mbola miady amin’ny fahafatesana ankehitriny. Raha araka ny tati-baovao marim-pototra voaray, dia hitodi-doha hamonjy fodiana hihazo an’i Bezaha ity kamiao nitondra mpivarotra sy mpamonjy tsena alahady tao Beala, any amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Salobe ity, no tra-doza teny an-dalana. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia vokatry ny famonoan’ny mpamilin’ity taksiborosy ity ny moteran’ny fiara nentiny, noho ny fitsitsiana solika tao anaty lalana fidinana no antony nahatonga ny loza, satria tsy nihinana intsony ny hisatra, ka nivarina tany an-kady nivadika ambony ambany avy eo ilay fiarabe, ary olona 12 maty teo no eo voatsindrin’ny entana, mpandeha 30 hafa naratra mafy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici