- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversBetioky Atsimo : Tovolahy nanao maloto tamina tsangambato, nivonto be ny filahiany

Betioky Atsimo : Tovolahy nanao maloto tamina tsangambato, nivonto be ny filahiany

Mbola maro ny toerana manan-jina amin’ iny tapany atsimon’ny nosy iny hatramin’izao. Tovovahy iray voalaza fa nanota fady nanao maloto (nipipy) tamina tsangambato iray tany amin’ny Distrikan’i Betioky Atsimo no nivonto be teo amin’ny filahiany, ary sahirana mafy hatramin’izao raha vao mivalan-drano, na dia efa manaraka fitsaboana maro samihafa (dokotera sy dadarabe) nanomboka ny fiandohan’ity herinandro ity sy nanao alafady namono omby afak’omaly aza. Raha ny vaovao voaray dia efa noraran’ny olona tsy hanao maloto teo ity tovolahy ity ny asabotsy teo, saingy mbola tsy tana izy noho ny hetraketrany. Vao niala metatra vitsivitsy teo, rehefa avy nivalan-drano izy dia efa niseho sahady ny loza. Sahirana vao afa-namindra sady nitarainany ho nanaintana be azy ny filahiany, ary minitra vitsy taorian’izay dia torana tsy nahatsiaro tena izy, hoy ireo nanatri-maso, araka ny vaovao voaray hatrany.

 Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici