- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversBetioky Atsimo : Vehivavy nalaina an-keriny, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Betioky Atsimo : Vehivavy nalaina an-keriny, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Renim-pianakaviana iray 30 taona eo ho eo no hita faty novonoina tamin’ny fomba feno herisetra, ny 17 oktobra lasa teo, tany Tanandava-Bezaha, Distrikan’i Betioky Atsimo. Araka ny vaovao voaray dia nalaina jiolahy telo an-keriny tao an-tranony mamanton’alina ity vehivavy ity, ary notamperin’ireo tsy mataho-tody tamin’ny fomba feno habibiana ny ainy avy eo. Naraina ny andro vao samy taitra ireo mpifanila vodirindrina taminy nahita ny varavaram-be nivoha nidanadana kanefa tsy nisy olona tao an-trano, ka io no nanaitra ny rehetra nanao ny fikarohana. Ny alatsinainy maraina tokony ho tamin’ny 7 ora no nisy nahita teo amin’ny tetezan’i Sakondry 2km miala tsy dia lavitra ny tanàna ny fatin’ilay vehivavy. Raha ny loharanom-baovao dia valifaty noho ny kakay no nanamperana ny ain’ity ramatoa ity, satria tsy naka na inona na inona tao amin’ilay tokantranony ireo malaso. Manoloana ny zava-nitranga dia miverina mihorohoro indray ny mponina any Bezaha, raha nilamidamin-dratsy ny vono olona sy asan-dahalo taorian’ny fampiharana ny Dinabe.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici