Ny 28 aprily teo teny amin’ny lalam-pirenena faha-10 (RN10) no nisy fiara mpitatitra iray mampitohy an’i Toliara sy Fort-Dauphin , nijanona teo amoron-dalana noho ny fahasimbana. Nandritra ny fanamboarana dia nararaotra niantsena ity ramatoa iray izay mpandeha tao, teny an-dàlana anefa dia nifanena tamin’ny jiolahy 4 mitondra PA sy basim-borona vita gasy ity farany. Ny somary nahatsikaiky anefa dia vola roa arivo ariary no teny amin’ity ramatoa ka raha vao nahazo izany ireto mpanendaka dia lasa nitsoaka. Izany tokoa angamba no hoe sendran’ny ratsy vintana fa dia mbola nifanena tamin’ny zandary avy nanao fisafoana ka raha vao tazan-dry zalahy ireto zandary dia izy indray no nitifitra. Mba namaly ihany koa ireto zandary ka raikitra ny fifanjevona ; maty tamin’izany ny roa tamin’ireto jiolahy fa ny roa kosa afaka nitsoaka, efa natolotra ny havany tao an-tanàna moa ny razana.
ALEM