- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversBetongolo : Lehilahy nitolona vehivavy teny an-dàlana, nosamborina

Betongolo : Lehilahy nitolona vehivavy teny an-dàlana, nosamborina

Niafara teny amin’ny biraon’ny zandary, ny fitoloman’ity rangahy vehivavy iray tamina toerana somary maizimaizina, teny amin’iny faritra Betongolo iny, ny alin’ny alarobia lasa teo. Nahiahiana avy hatrany ho teo am-panolanana ilay vehivavy ilay rangahy no antony nisamborana azy.

Amin’izao tsy fandriampahalemana mampikaika ny rehetra izao, dia misy foana ny fisafoana isan’alina ataon’ireo mpitandro filaminana. Anisan’izany ireo zandary avy ao amin’ny borigadin’Antananarivo Renivohitra, etsy Betongolo. Nandritra ny fisafoana amin’ny alina nataon’izy ireo mihitsy ary no nahitan’izy ireo tranga mampiahiahy tamina toerana iray takotakona, tokony ho tamin’ny sivy ora alina teo, lehilahy iray teo am-pitolomana vehivavy. Miezaka miala sy miady fatratra ilay vehivavy, saingy tsy avelan’ilay rangahy eo amboniny. Teo anatrehan’ny zava-nisy, dia nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary; izay nihevitra tanteraka fa mpanao ratsy, na mamono na teo am-panolanana ilay vehivavy. Niditra an-tsehatra nanasaraka ireto farany ary nitondra ilay rangahy tany amin’ny biraon’ny zandary. Tamin’ny fanadihadiana anefa vao fantatra fa hay mpivady niady ireto nifampitolona ireto. Raha ny fanazavana dia toa hoe efa niady tany an-tranony tany izy ireo ary nivoaka nirifatra ilay vehivavy. Nenjehin’ilay vadiny ary io tratrany io ka raikitra teo ny adin’ny mpivady, noheverina ho  fanolanana. Omaly ihany moa dia fantatra fa navotsotra ireto mpivady ireto; izay inoana fa nahazo lesona tsara izy ireo, ny tsy hivoahana ny trano rehefa  miady.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici