- Publicité -
samedi, novembre 1, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetongolo : Miaramila, naratra mafy nianjera avy teny ambony hazo

Betongolo : Miaramila, naratra mafy nianjera avy teny ambony hazo

Miaramila iray avy amin’ny « Corps de protection civile »  no naratra mafy, raha nianjera avy teny ambony hazo, teny Betongolo, omaly hariva. Tokony ho tamin’ny efatra ora hariva tany ho any no niseho ity loza tsy nampoizina ity, raha nanapaka hazo teo ambonin’ny dobo filomanosana ireto miaramila maromaro, raha ny fantatra hatrany. Araka ny fanazavana azo dia hazo efa nilatsahan’ny varatra ity, ary nandindona sy natahorana hitera-doza, ka izao notapahina izao. Loza no nosorohina kanjo loza hafa no naterany. Raha mbola teo am-panapahana ilay hazo anefa ity lehilahy ity, no tapaka tampoka ilay nianteherany. Ny loharanom-baovao teny an-toerana hatrany no nahafantarana, fa voa mafy teo amin’ny lohany ity miaramila ity, ary toa hoe tsy nahatsiaro tena mihitsy. Vaky mihitsy mantsy izany lohany izany, ary nijininika izay tsy izy ny rà. Niezaka namonjy ity namany naratra mafy ity avokoa ireo vata-miaramila teny an-toerana. Raha ny fantatra hatrany dia fiara sendra nandalo no nitondra azy ho any amin’ny toeram-pitsaboana.

Fa ankoatr’izay, dia manamboninahitra miaramila iray no hita faty teny amin’ny barazy Mantasoa, ny alakamisy hariva  teo. Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny fahatesana, fa izy efa natsingevan’ny rano no hitan’ny fokonolona teny an-toerana. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, dia toa hoe nanjono teo amin’io toerana io izy no hitan’ny fokonolona farany, ny tolakandro talohan’ny nahitana ny vatana mangatsiakany. Eritreretin’ny rehetra araka izany, fa mety ho nisolifatra teo izy ary notatazan’ireo hazo tao ambany, ka izay no nitarika ny fahafatesany. Na izany aza, dia fantatra fa efa mandeha ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici