- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversBetongolo : Mpivarotra basy nenjehin’ny pôlisy, maty voatifitra ny iray

Betongolo : Mpivarotra basy nenjehin’ny pôlisy, maty voatifitra ny iray

Betongolo, hariva tokony ho tamin’ny 4ora teo, mandeha amin’ny antsakany sy andavany ny fiainan’ny mponina andavanandro. Milomay mamonjy ny fodiany avokoa ireo olona rehetra. Tokony ho antsasak’adiny taty aoriana, nirefodrefotra ny basy. Samy nikoropaka avokoa ny rehetra, nisahotaka sy niezaka namonjy izay toerana azo niafenana rehetra. Fa nisy inona ? Polisy avy ao amin’ny UIR no tonga masiaka teny an-toerana, nifampitana sy nifamaly tifitra tamin’ny jiolahy. Iray tamin’ireto farany no lavon’ny balan’ireo mpitandro filaminana, raha tafapotsika tao anatin’ny fifanjevoana kosa ny namany iray hafa. Raha ny fanazavana azo, dia olon-dratsy voarohirohy amin’ny resaka fivarotana basy ireto olona nifanandrina tamin’ny pôlisy ireto. Efa nisy mantsy ny loharanom-baovao azon’izy ireo mikasika ity trafikana basy ity teny an-toerana. Nidina avy hatrany teny ifotony izy ireo, ka tamin’izany no nifanehitra tamin’izy roalahy ireto. Tsy nanaiky mora foana izany fisamborana izany anefa ireo olon-dratsy, fa raha vao nahita ireo mpitandro filaminana, avy hatrany dia nandrefotra ny basy teny amininy ireo pôlisy. Voatery namaly noho izany ireto farany, ka bala roa no niantefa teny amin’ny lohan’ilay tovolahy iray. Nahita izany ity namany, ka rafitra nitsoaka ary votsotra teo am-pelantananan’ireo mpitandro filaminana. Mbola teny amin’ity olon-dratsy lavon’ny bala ity ny basy fohy iray, izay nentin’ireo pôlisy avy hatrany ary navantana teny amin’ny Kaomisaria teny Tsaralalàna. Noho ny ratra nahazo azy kosa, dia tsy tana intsony ny ain’ity jiolahy ity, izay mbola tovolahy vao erotrerony tokoa, satria dia manodidina ny 24 taona eo, raha ny fanazavana azo. Napetraka ao amin’ny tranompatin’i Hjra moa ny razana. Fantatra fa mbola eo am-pikarohana ilay namany kosa ireo mpitandro ny filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser