Matotra tanteraka ny fiaraha-miasa eo amin’ny Repoblika Entimbahoakan’i Chine sy i Madagasikara, indrindra fa ny resaka ara-miaramila. Io no nambaran’Atoa Jly Serge Gellé, omaly raha nandray ireo « « attaché de défense », miasa eo anivon’ny masoivohon’i Chine eto amintsika izy. Ny alatsinainy lasa teo tokoa mantsy no noraisin’ity tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ity izy ireo. Nahitana ny Kôlônely Zhong sy ny Kôlônely Wang. Iry voalohany no fantatra fa handimby toerana an’ity faharoa. Ny kly Wang, izay voalohany nitana izany toerana izany teto amintsika ary niara-niasa tamin’ny zandarimariam-pirenena nandritra ny roa taona mahery teo ho eo. Nankasitraka ny zava-bitany nandritra izay fotoana izay moa ny Seg ary nitso-drano azy. « Azo resahana fa nametraka fototra ho amin’ny fiaraha-miasa ara-miaramila izy, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ireo fanomezana maro isan-karazany ho amin’ny fitandroana ny filaminana, ary ny fampianarana teny sinoa « . Tetsy andanin’izay dia niarahaba ny « attaché de défense » vaovao ihany koa ny tenany ary nirary soa ho azy. « Mpiara-miasa akaiky isika, ary enga anie hitohy sy hihamafy hatrany ».
m.L