Lehilahy iray, manodidina ny 30 taona teo ihany koa no voasambotra taorian’ilay hetsika nataon’ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisaria Antaninandro, nandravana ireo andian’olona mpivarotra basy teny Betongolo, ny talata hariva lasa teo. Vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo, raha ny voalazan’ny lehiben’ity kaomisaria ity, no nahazoana ny vaovao mikasika ireto andian-jiolahy mpanao trafikana basy ireto, ary efa narahana hatramin’ny ela ny fihetsik’izy ireo. Napetraka ny vela-pandrika ka io teny Betongolo io no sarona ireto olona ireto. Tao anatin’izany anefa, toa efa mailo ihany ireto mpivarotra ireto, niaraka tamin’ny mpanera azy, ilay lehilahy voasambotra, ka vehivavy iray no nampitondrain’izy ireo ilay basy. Ny antoandron’io andro io no nosamborina teny Besarety ity vehivavy ity ary izy no nanondro ny toerana nisy ireo tena tompon’ity fitaovam-piadiana maherivaika ity. Nigadona avy hatrany teny an-toerana ireo pôlisy, nampian’ny avy ao amin’ny pôlisin’ny UIR, ka tamin’izay no nisian’ny fifampitifirana, ka nahalavo ny iray tamin’ireo jiolahy. Mbola an-dalam-pikarohana ilay namany tafatsoaka kosa ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Tratra teny amin’ireo jiolahy ireo ny basy poleta vita gasy roa, niaraka tamin’ny bala miisa dimy. Manentana hatrany ireo mponina ny mpitandro filaminana amin’ny fiaraha-miasa sy fanomezam-baovao azy ireo, ny amin’ny mety ho fisian’ny olona mampiahiahy. Inoana araka izany fa hilamindamina indray aloha iny faritra iny, taorian’izao vokatra goavana izao.
m.L