- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversBetongolo : Vehivavy maty nihantona tamin’ny “rideau” tao an-tranony

Betongolo : Vehivavy maty nihantona tamin’ny “rideau” tao an-tranony

Vehivavy iray no hita faty tao amin’ny efitranony, omaly maraina teny Betongolo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nihantona tamina “rideau” izy no nisy nahita rehefa maraina ny andro. Rehefa nentina teny amin’ny tranom-paty HJRA ny razana nanaovana fitiliana dia voaporofo fa avy amin’io fihantonana io no nahafaty azy. Ny alin’ny talata, nifamaly taman’olona niaraka taminy izy. Tsy fantatra hatramin’izao ny fototr’izany adiady izany. Lasa nandeha ilay olona avy eo fa tsy nijanona niaraka taminy, hoy hatrany vaovao voaray. Efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana ary misokatra ny fanadihadiana. Ny voavao voaray hatrany no nahafantarana fa mpilalao sarimihetsika ity nindaosin’ny fahafatesana ity. K. R. no anarany. Maro araka izany ireo mahafantatra azy. 29 taona izy izao nodimandry tampoka izao.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser