Amin’ny andro atoandrobe no nitranga ny fanafihana. Niditra toa ny mpandeha rehetra ireo olon-dratsy ary rehefa tafiditra dia namoaka basy amin’izay. Tsy nisy azo natao ankoatry ny nanaraka izay nolazain’ireo efa-dahy. Ary dia nanam-potoana mihitsy izy ireo nanao ny asany. Nitohy nandeha ihany ny fiara fitaterana mba tsy hanintomana ny mason’ny olona. Ireo jiolahy kosa dia tsy niteny firy intsony tao anatiny satria efa samy nahafantatra ny tanjony ny rehetra. Notatazana tamin’ny satroka, toa ireny rakitra ireny, ny entana rehetra izay azo nomena. Ny vola, ny solomaso, ny firavaka volamena sy izay rehetra mora nendahina dia nalefan’ny olona tao daholo. Tsy afa-niala ihany koa ny mpamily sy ny resevera satria tsy maintsy nomena ireo jiolahy ny vola izay maty hatramin’ny folo ora. Rehefa vita izany dia nidina mormora ny fiara fitaterana ireo ary tsy mba nitsoaka nihazakazaka akory. Manome endrika ny fahasahian’ireo olon-dratsy izany. Nefa dia tanàna fivezivezen’ny mpitandro ny filaminana iny Betongolo iny satria sady misy toby maromaro no misy birao koa. Toa efa nomarihan’ireo mpanafika angamba fa isaky ny amin’ny folo dia efa any anaty birao avokoa ireo ka tsy hatahorana ny hahita ny asaratsy. Rehefa vita ny fanafihana izay vao nijanona ny fiara ary natao ny fiantsoana mpitandro ny filaminana. Noezahina nojerena ihany teo amin’ny manodidina, fanao mahazatra ihany, saingy tsy nahitam-bokany. Amin’ny atoandro be nanahary ary koa miditra ao anaty toerana be olona. Tsy vitan’izany aza fa mbola eny amin’ny toerana mbola betsaka mpitandro ny filaminana. Mahatalanjona ny fahasahian’ireo olon-dratsy amin’ny fanatontosana ny asany. Mampihorohor tanteraka…
D.R