Nandritra ny fanarahan-dia nataon’ny zandary no nisian’ny rà mandriaka tany ambanivohitr’i Betroka. Nifampitifitra izy ireo sy ny dahalo. Vokatr’izany, 13 tamin’ireo olon-dratsy 50 no lavo. Tafaverina kosa ny ankamaroan’ireo omby izay nalain’ny dahalo. Mbola mafana hatrany ny ady amin’ny asan-dahalo any amin’ny tontolo ambanivohitra. Kolontsaina izy io alohan’ny rehetra, any amin’ny faritra sasantsasany. Midika izany fa tsy voatery ho avy amin’ny fampiasana hery no entina handresena ny asan-dahalo fa mety ho avy amin’ny alàlan’ny serasera hanovana fijery…
D.R