Ny alatsinainy tamin’ny efatra ora maraina no tonga nanafika tao amin’ny fokontany Amboliala ireto dahalo 80 lahy nirongo basim-borona 50. Omby 500 no lasibatra tamin’izany ka nihazo ny faritra atsinana ny dian’izy ireo tamin’izany. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny zandary ka tsy lasa lavitra ireto dahalo dia tratran’ny mpanara-dia, raikitra ny fifandonana ka dahalo roa no maty lavon’ny bala tamin’izany, omby 420 kosa no tafaverina tamin’ny tompony, mbola mitohy ny fanadihadiana amin’izao ka ny zandary ao Betroka no misahana ny raharaha.
ALEM