- Publicité -
mercredi, juillet 23, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetroka : Dahalo aman-polony nifampitana  tamin’ny zandary, enina maty

Betroka : Dahalo aman-polony nifampitana  tamin’ny zandary, enina maty

Fahasahiana sy fihantsiana tsy misy toy izany, no nataon’ireo dahalo am-polony, raha sahy nanafika mpandraharahara iray monina akaikin’ny tobin’ny zandary tao Betroka, ny zoma tamin’ny 1 ora maraina. Ny alakamisy alina hifoha ny zoma tokony tamin’ny 1 ora maraina teo, dia nisy andian-dahalo amam-polony nanafika mpandraharahara iray monina akaikin’ny tobin’ny zandary tao Betroka. Raikitra avy hatrany ny fifandonan’ireo zandary sy ireo mpandroba. Naharitra adiny enina ny fifandonana izay nanomboka tamin’ny 1 ora maraina ka tsy nifarana, raha tsy tamin’ny 7 ora maraina ny zoma teo. Dahalo enina no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana. Ireo mpitandro ny filaminana izay tsy misy ny aina nafoy. Voafehy araka izany ny raharaha  ary  misokatra ny fanadihadihana. Deraina manokana etoana ny zandary izay manao ny ainy tsy ho zavatra hanavotana ny mpiara-belona aminy.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici