- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Dahalo roa indray lavon’ny zandary, iray voasambotra niaraka tamin’ny karandoha

Betroka : Dahalo roa indray lavon’ny zandary, iray voasambotra niaraka tamin’ny karandoha

Milalao ody. Tena efa mitoky tanteraka amin’ireo odiny ireo dahalo any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny, entina hanaovana ny asa ratsiny. Ambonin’ireo karazana moara sy odigasy maromaro mantsy dia nisy iray voasambotry ny zandary niaraka tamin’ny karandohan’olona, raha maty voatifitra kosa ireo namany roalahy. Araka ny fanazavàna azo mantsy dia nisy fifandonana mahery vaika indray teo amin’ireo zandary tany amin’iny disitrikan’i Betroka iny ny herinandro teo. Andian-dahalo maromaro nirongo fitaovam-piadiana no nanafika tao amin’ny tanana’i Maromandroso, kaominina Isoanala tamin’io fotoana io. Rehefa nahare izany ireo zandary tany an-toerana, dia nanatanteraka fanarahan-dia avy hatrany, niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana manokana miady amin’ny asan-dahalo. Nisy araka izany ny fifandonana mahery vaika nitranga. Vokany dahalo roa no fantatra fa lavo ary tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny. « Ny iray azo sambom-belona miaraka amin’ny basy, mohara sy odigasy maro ary karan-doha iray fampiasan’izy ireo rehefa hanafika » hoy ny fampitam-baovao. « Tafaverina avokoa ny omby raha ny sasany tamin’ireo malaso kosa no tafatsoaka. Tsy mitsahatra manao fisafoana ireo Zandary ao an-toerana manao hazalambo ireo dahalo nandositra » araka ny fanazavàna azo hatrany.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici