Manao ny ainy tsy ho zavatra ireo zandary any amin’ireo faritra voasokajy ho faritra mena amin’ny ady amin’ny asan-dahalo, indrindra fa ny amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny. Fantatra ary fa nandritra ny hetsika manokana nataon’ireo zandary avy amin’ny vondron-tobim-pileovana any amin’iny faritra Anosy iny dia dahalo telo no lavon’ny balan’ireto farany. Dahalo izay fantatra, araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana fa mipetraka ao Mahelivoro, kaominina Bekorobo, distrika Betroka. Nanditra izany hetsika izany dia basy telo tratra tany amin’ireo olon-dratsy, ary omby 15 no azo teny an-tanan’izy ireo, izay efa samy notazomina ao amin’ny borigadin’Isoanala avokoa. Fa ambon’izay dia fantatra fa misy olona valo ihany koa amin’izao fotoana izao hadihadiana mahakasika izany resaka asan-dahalo izany. Nitrangana fanafihana mantsy ny tao amin’ny kaominina Ambatomivary, distrika Betroka ny alin’ny 22 novambra teo. Ahiahiana ho samy mpiray tendro amin’ireo malaso mpanafika avokoa ireto olona ireto, raha ny loharanom-baovao hatrany. Tsy nijanona hatreo moa fa mbola mitohy ny savahao hikarohana ireo olon-dratsy amin’izao ataon’ny zandary any an-toerana.
m.L