Tsy faly tamin’ny namonoana ny havany, ny fianakavian’ilay kandidà ho ben’ny tanàna avy amin’ny fikambanana Firaisankina tany Ianakafy, maty nisy nitifitra teny an-dàlana tany Bekotra, ny 16 aogositra lasa teo, rehefa avy nametraka fitoriana tany amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana tao Toliara nanoloana ny tsy fanarahan-dalàna nisy nandritra ny fifidianana. Raha araka ny loharanom-baovao samihafa, dia atahorana hivadika ady an-trano ilay nahafaty an’i T.R avy ao Sakamahily, satria nanao diabe ombam-basy ary mikasa ny hamaly faty ny havany.
Noho ny resabe mandeha, ho fiarovana ny ainy, dia nitsoaka namonjy ny tanànan’i Betroka ilay kandidà iray nibata ny fandresena tao amin’ny kaominina Ianakafy; izay tondroin’ny sasany fa namono an’i T.R mpifanandrina taminy , na dia tsy misy porofo hahazoana mitana an’ ity kandidà ity ho tompon’andraikitra amin’ izao raharaha vono olona izao. Nomarihan’ny loharanom-baovao, fa misy rohim-pihavanana ity kandidàn’ny Firaisankina namoy ny ainy ity sy ilay kandidà voasoketa ho namono azy.
Eric Manitrisa