Zandary mahery fo iray, antsoina hoe Rakotoarison Jeannot, miasa ao amin’ny borigady Isoanala no lavo teo an-tanim-piadiana. Zandary iray hafa kosa, ny Kaomandin’ny borigady no naratra mafy, voan’ny bala teo amin’ny feny. Izay no vokatry ny fifandonana mahery vaika nitranga tao amin’ny kaominina Isoanala, distrika Betroka ny sabotsy lasa teo. Tetsy andanin’izay kosa dia nisy dahalo dimy no tsy afa-manohy intsony asa ratsiny. Raha ny fampitam-baovao azo tokoa dia nisy halatr’omby nitranga tao amin’io toerana io ny maraina. Omby 100 handeha hamidy no notafihan’ny dahalo am-polony mahery teny an-dalana. Namaly ny antso vonjin’ireo tompon’omby avy hatrany ny zandary ary niezaka nanara-dia ireto malaso. Teny an-dalana, raha handeha hamonjy ny kizo, izay mety tsy maintsy ho lalan’ireo dahalo anefa ireto mpitandro filaminana no tratry ny velam-pandrik’ireo olon-dratsy, izay efa nisy nampandre mialoha. « Tifitra variraraka no nitsena ireo zandary teny an-dalana am-pamitana ny adidiny ka lavo ny zandary kilasy ambony iray izay efa voalaza etsy ambony raha naratra kosa ny mpifehy azy ireo » hoy ny vaovao. « Tsy niraviravy Tanana anefa izay mbola afaka fa nifanandrina tamin’ireo tsy mataho-tody ka dahalo miisa dimy no tsy tafarina intsony raha mbola tafandositra ireo namany hafa ». Mbola mitohy ny fanenjehana ireo dahalo, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Efa nisy ihany koa ny fanampiana ireo zandary mpanara-dia, izay nanafarana ny zandarin’i Fign, miasa eo anivon’ny Usad, na ilay andia-tafika manokana natao hiadiana amin’ny dahalo.
m.L