Rehefa nokarohina nandritra ny andro maromaro, ka taorian’ny fahazoan’ny mpitandro filaminana loharanom-baovao mari-pototra avy tamin’olona tsara sitra-po, dia voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Betroka, ny zoma teo, ireo roa lahy nandroba ny tobin-dry masera tao amin’ny Fokontany Mananovy, Kaominina ambanivohitra Bekorobo, Distrikan’i Betroka, Faritra Anosy. Taorian’ny nahasaronana an’ireto jiolahy nitam-piadiana, dia efa tafaverina amin-dry masera avokoa ireo entana very sy voaroba tao amin’ny toby. Raha ny vaovao voaray, matetika mahazo fandrahona ry Masera ao Mananovy fa hisy dahalo hanafika, ka tokony haka mpiambina ry zareo hiambina ny toby misy azy ireo. Ireo no isan’ny paik’ady nampiasan’ireto tovolahy mirahalahy tra-tehaka ireto mialoha ny nahavaky ny toby. Nambaran’ny GPCE Zaheraly Ameraly, Kaomadin’nyBorigady Betroka, fa « rehefa mahazo vaovao ara-potoana sy mazava tsara ny Zandary, dia afaka manome vokatra malaky hamongorana ny asa ratsin-jiolahy miseho amin’ny endriny samihafa amin’izao aty amin’ny Disitrikan’ i Betroka ». Taorian’ny famotorana lalina nataon’ny Zandary, dia natolotra ny Fampanoavana afak’omaly ireto jiolahy tra-tehaka, ary nadoboka am-ponja vonjy maika avy eo.
Eric Manitrisa