- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversBetroka : Faty tsy nisy loha

Betroka : Faty tsy nisy loha

Taitra ny olona sendra nandalo teo Andakana-Betroka omaly maraina raha nahita ity vatana mangatsiaka efa manomboka simba, satria efa mibontsina. Tsy vitan’izay fa efa tsy nisy loha intsony. Nampivarahotsana tanteraka an’izay nahita izany, satria raha ny eritreritry ny maro dia niniana notapahina mihitsy izany. Rehefa nojerena akaiky dia fantatra avy hatrany fa vatam-behivavy ilay razana. Na izany aza anefa tsy nisy na inona na inona azo namantarana hoe iza ilay olona maty. Sady tsy nisy taratasy teny aminy no efa simba ny vatany. Mety ho novonoin’ny dahalo raha ny fihevitry ny maro, satria nifanena tamin’izy ireo ary mety ho mahafantatra ka ahiana hitoroka. Raha biby mantsy no nihinana ity razana ity dia mety ho potipotika ny vatany sy ny ratsam-batany. Ny akaiky indrindra dia olombelona no namono azy ary navela teo an-toerana avy eo. Ary dia tamin’ny fomba feno habibiana no nanatontosana an’izany, satria notapahina tanteraka ny lohany. Mivarahotsana ny olona eo amin’ny manodidina manoloana ny zava-nitranga izay niparitaka omaly ihany ny fisian’izany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici