Namaivay indray ny fifandonana nisy teo amin’ireo dahalo sy ny zandary tany amin’iny distrikan’i Betroka iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Vokany, efatra tamin’ireto malaso no tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny ary azo avokoa ireo omby an-jatony teny am-pelatanan’izy ireo.
Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo dia nitrangana halatra omby mahery vaika tao amin’ny tanan’Ambirimena, ao amin’ny kaominina Ambatolahy, distrikan’Ihosy, tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Am-polony maro ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Omby an-jatony tany ho any no lasan’ireo dahalo tamin’izany. Tsy nanao na inona na inona tsinona ireo mponina teo anatrehan’ireto olon-dratsy miravaka fitaovam-piadiana sy ody gasy hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha. Ny hany herin’izy ireo dia niantso ny zandary. Raha vao nahare ny vaovao ireo avy ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Betroka dia niezaka avy hatrany niandry ireo kizo rehetra, izay mety handalovan’ireo malaso nitondra ny omby halatra. Tao amin’ny kizon’i Vohiposa, andrefana kelin’i Kelivaho, ao amin’ny distrikan’i Betroka, no nifanena ny roa tonta. Tifitra variraka avy hatrany no nataon’ireo dahalo raha vao nahita ireo mpitandro filaminana. Efa zatra ady tanteraka anefa ireo zandary ary niezaka nanohitra ihany koa. Mafy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta kanefa tsy nikely aina ireto farany nanao izay nahazoana ireo omby teny am-pelatanan’ireo dahalo. Vokany dia io nahalavoana dahalo maromaro io. Rehefa nahita izany moa ireto farany dia nitsoaka ary namotsotra ireo omby halatra, niaraka tamin’ny basy iray. Nentiny niakatra nahazo tanana moa ny omby avy eo. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireo dahalo tafatsoaka. Fa ankoatra izay dia fantatra fa fanafody gasy marobe fampiasan’ireo malaso any amin’iny distrika iny hatrany no saron’ny zandary ny herinandro teo. Karaza-moara marobe izy ireo ary samy manana ny endriny, araka ny fampitam-baovao azo.
m.L