Solombavambahoaka no maty tamin’ny taona 2013 rehefa nisy namono teny am-pandehanana kodiaran-droa. Rehefa nandeha teny ny fanadihadiana dia olona 15 no voasambotra. Ny taona 2016 dia nivoaka ny didim-pitsaràna heloka bevava ary voasazy higadra mandra-pahafaty ireo olona. Ny 17 jolay lasa teo dia nolazaina fa vaky ny fonja ary tafatsoaka tao ny telo tamin’ireo olona voaheloka mandra-pahafaty. Tsy neken’ny sain’ny fianakavian’ny maty izany ka nanaovan’izy ireo fanadihadiana manokana ary nilazany fa ny lehiben’ny fonja no tao ambadiky ny fampitsoahana ireo olona telo. Ankehitriny dia nametraka fitoriana eo anivon’ny zandary izy ireo ary mitazona ny lehiben’ny fonja ho tompon’andraikitra. Misarika ny sain’ny minisitry ny fitsaràna izay vao voatendry koa ireo fianakaviana mba hijery akaiky ny raharaha.
D.R